Taratra

Kaominina Anosiala sy Ambohidratrimo : nianatra ny paikady fitadiavan’asa ny tanora

Ambohipihaonan’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny teny Ambohidra­trimo, ny sabotsy teo. Nam­piofana ny tanora indray ny LCS, izay tarihin’i Fenozana­ny Stephanie sy ireo ekipa miaraka aminy. Nianatra manokana ny paikady fiatrehana ny fitadia­van’asa izy ireo tamin’izany. Nampiakatra ny fahaizana sy ny faharisihana hisehatra amin’ny asa ny fifehezana ireo […]

OMS Genève sy Afrika : nohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Nitsidika an’i Madaga­sikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo. Teboka maromaro no na­voitra hanatsarana ny kali­taon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny ta­ham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony […]

Faritra Matsiatra Ambony : marolafy ny fanatsarana ny fanabeazana natao

Fararanon-danonana ho an’ny fanabeazam-pirenena ny tao Matsiatra Ambony. Fotodrafitrasa maro no notokanana. Samy nahazo ny anjarany na ny mpampianatra na ny mpianatra. Nitety Cisco maromaro ny hetsika amin’ny seha-panabeazana tao amin’ny faritra Matsiatra Am­bony, ny faran’ny herinandro teo, izay natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sa­hondrarimalala Marie Mi­chelle. Tao amin’ny Cisco Am­balavao, […]

Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana

Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny […]

Rugby – « XXL Top 20 » : lavon ‘ny TFA Anatihazo ny XV FA Ampasika

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andoha­ta­penaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hi­verenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy […]