“Ny endriky ny tolona vaovao: inona ny rafitra hapetratsika hahazoana manara-maso akaiky an’ireo olona nirahina hampiasa fahefana? Hatrany an-tampony ka hatraty ambany izany. Satria misy ny fanodinkodim-bola hatrany ambony.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Lasa malemy tsy manam-bola ny fanjakana noho ny fanodinkodinam-bola, […]
Taratra
Zaikabe : tsy miova foto-kevitra ny Otrikafo
“Ny mpitarika ny antoko no miova, fa mitoetra hatrany ny foto-kevitra”, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, taorian’ny famaranana ny zaikabe nasionalin’ny antoko teny amin’ny foibe toerany, Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo. Efa natomboka tany amin’ny faritra tamin’ny taon-dasa ny zaikabe, ka fifidianana sy fampahafantarana ny birao […]
Lisi-pifidianana : miantso fahamailoana ho an’ny rehetra ny Tim
Namaky bantsilana ny zava-misy amin’izao fikarakarana ny fifidianana izao ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Morondava, afakomaly. “Misy governera aty amin’ny faritra atsimo aty mamorona fokontany sy birao fandatsaham-bato tsy misy ary tsy ara-dalàna ka mila mailo isika manomboka izao”, hoy izy. Nohitsiny koa fa misy olon’ny minisiteran’ny Atitany mamita […]
Depiote Randrianasoloniaiko Siteny : “Tokony hahazo 80 tapitrisa Ar avy ny kaominina”
Anisan’ny nanompanan’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny lahateniny tany Sambava, ny sabotsy teo, ny momba ny fitsinjaram-pahefana. Notsiahiviny fa efa voalazan’ny Lalàmpanorenana izany ary roa ireo mpitondra nifandimby teo. Tsy nampihatra izany anefa izy ireo. Nianiana amin’izany Lalàmpanorenana izany izy ireo nefa tsy nampihariny… “Lainga ny fampiharana ny tetibolam-panjakana amin’izao fotoana izao […]
MMM : “Tsy an’olon-tokana ny firenena “
Nitohy tany Maintirano, any Melaky indray ny famelabelaran-kevitry ny antoko Malagasy miara-miainga. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa tsy mahita ny olana eny ifotony ny fanjakana foibe. Ilaina ny mifampihaino sy manadihady, mba hisorohana ny tahaka ny mahazo ny sehatry ny lavanila, araka ny nambarany. “Olana eto amintsika ny fiheveran-tena […]





