Taratra

Tantara an-tsary : maro ny mpanatalenta amin’ny fanaovana sary

Tontosa teny amin’ny Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar (CRAAM), eny Ankatso, ny alarobia 12 avrily 2023, ny hetsika momba ny tantara an-tsary. Hetsika nokarakarain’ny ADMC-CRAAM sy ny Oni­versiten’Antananarivo, nanasan’izy ireo an’i Rolling Pen sy CatMouse, manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny famoronana sy fanatontosana tantara an-tsary. […]

Farita arovana: omena lanja ny fomba ara-drazana any Andapa

Paikady mahomby ho enti-miaro sy mitantana ma­haritra ny faritra arovana (AP) any amin’ny distrikan’ Anda­pa, ny fanomezan-danja ny fomba ara-drazana sy ny fandraisana andraikitra ny eny ifotony. Ireo ny tsoa-kevitra nivoitra tany an-toerana nandritra ny fivoriana teo amin’ny minisitera, ny tompon’andraiki-panjakana, ny mponina, ny fikambanana, ny mpitandro filaminana. Teo koa […]

Asa Avotra Mirindra-Fid : mahavita harona 200 isan-kerinandro i Augustine sy ny namany

Anisan’ny nisitraka ny te­tikasa Asa Avotra Mirindra notohan’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana, Fid, Rtoa Razafindravao Marie Augustine. Monina any Anki­anjabe, any Tranovon­drona, distrikan’Isandra. Maty vady izy, manan-janaka dimy. Nam­barany fa tsy nahatsapa ny lanja ara-toekarena mikasika ny asa tanana mandrary izy talohan’ny nahazoany fanampiana avy amin’ny tetikasa Asa Avotra Mirindra. […]