Taratra

Management au projet innovant -Iscam : fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpiasa

Namolavola fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «Master II» ho an’ireo olona efa manana ny diplaoma «Licence» ny sekoly ambony Iscam nanomboka ny taona 2022. Maharitra herintaona ny fiofanana momba ny fitantanana, fomba itondrana ny orinasa na koa fanokafana fihariana vaovao (Management au projet innovant-Mapi)… «Na­tokana ho an’ny olona efa manana traikefa […]

Tazomoka : distrika 5 hamendrahana odimoka

«Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka : milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasà». Lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, ny 25 avrily ho avy izao. Nanazava ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramandimbiarijaona Herizo, fa hiompana amin’ny famendrahana odimoka amin’ireo distrika 5 mbola ahitana ny […]

Cua – Fanatsarana ny tsena: halamina ny toby fiantsonana Imerin­tsia­tosika sy ny tsenan’ny tantsaha

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’i Soamanatombo sy Voninkazo Anosy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Nolazainy tamin’izany fa hasiana lamina manokana ny toby fiantsonana Imerintsiatosika sy ny tsenan’ny tantsaha eny an-toerana. Nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny Vo­ninkazo Anosy sy ny tsenan’i Soamanatombo ny ben’ny Tanànan’Antananari­vo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, […]

Fitantanana sy andraikitra : manoro lalana ny tanora ny ben’ny Tanàna, i Elie Dominic

Iza izy ? Ben’ny Tanànan’i Talatamaty, Raharinoasy Elie Dominic. 41 taona ary ma­nam­bady sy zanaka iray. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo malagasy. Mpikatroka Judo fony fahakeliny ary tia ny ba­sikety sy volley-ball. Mpana­mory fiarakodia amin’ny Run. Mankafy ny gadon-kira ma­lagasy sy vahiny. Nianatra momba ny “Tran­­sit et douane”, taorian’ny nahazoana ny […]

Fiainan’antoko : miasa sy manentana ny Tim

Manetsika ny eny ifotony ny Tim sady manentana. Anisan’izany ny eny anivon’ireo fokontany any Fianaran­tsoa. “Mitohy ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Manana 20 an­dro hanamarinana ny anarany sy ny mombamomba azy eny anivon’ny fokontany kosa ireo efa nahavitra izany”, hoy ireo mpitarika. Efa nanao ny azy ary mbola mitohy […]