Voasambotry ny mpitandro filaminana ny roa lahy mpamboly rongony tao amin’ ny tanànan’i Beamalombe, 30 km atsinanan’ny fokontany Doany, distrikan’Andapa ny faran’ny volana janoary teo. Naharay antso ny zandary fa mikirakira sy manaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy ireo. Nisy ny fidinana ifotony, sarona tao amin’ny toerana voatondro ny telo lahy. […]
Taratra
Antetezana Afovoany: lehilahy tratra namaky toeram-pivarotana
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry (CSP4) teny Antetezana Afovoany ny lehilahy iray voarohirohy ho namaky toeram-pivarotana, omaly. Naharay fitairanana ny polisin’ny CSP4 momba ny fahavakisan’ny toeram-pivarotana ao Antetezana Afovoany. Nanatanteraka fisafoana teny amin’ ny manodidina ireo polisy ka nahatsikaritra ity lehilahy ity hita fa somary hafahafa fihetsika sady […]
Halatra taova : tovovavy roa hita faty niala maso
Raha efa somary nangingina, niverina indray ny halatra taova any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Tovovavy roa hita faty tsy nisy maso intsony… Habibiana tsy roa aman-tany no niseho tao Bekily, omaly. Tovovavy miisa roa, 17 sy 20 taona no hita faty natsingevan’ny ranon’i Menarandra tokony ho tamin’ny 11 ora […]
In.S.P.N.Mad : mahasarika ny mpianatra ny « transit et douanes »
Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Supérieur Polytechnique des Novateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antananarivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny In.S.P.N. Mad, Randrianarivelo Dieudonné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia […]
CUA – Boriborintany V : fotoana hamahana ny olan’ny mponina izao
Tonga nitsidika teny anivon’ny boriborintany fahadimy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina, omaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mponina teny an-toerana izy nandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàna fa hiroso amin’ny asa izay laharam-pahamehana ho an’ny mponina izy. Fotoana amahany ireo olana rehetra mahazo ny […]




