Hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo poeta sy mpankafy poezia ary mpanaraka antsa tononkalo, ny alahady 5 febroary ho avy izao. “Hetsika iantsoana ireo mpisehatra izany anaty tambajotran-tserasera sy anaty onjam-peo koa izany”, hoy ny tompon’andraikitra, mpikarakara ny hetsika. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro […]
Taratra
Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana: tsy mahay miteny sy manoratra teny malagasy ny Malagasy
Tsy honohono fa tranga iaraha-mahita eny anivon’ny fiarahamonina. Malagasy tsy mahay miteny na manonona ny teniny. Malagasy tsy mahay manoratra ny teny malagasy. Taiza ny lesoka ? Tsy alefa lavitra akory ny fanadihadiana dia efa hita miharihary ny lesoka. Ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana. Fanarenana goavana no miandry azy ireo. Tsy […]
Muay Thai : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023
Hotanterahina ny 6 febroary ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny taranja Muay Thai, hay ady avy amin’ny kolontsaina thailandais sy asiatika. Tsy diso anjara ny mpiangaly izany eto Madagasikara fa hankalaza ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais, fa sady fanokafana […]
Basikety-Fanomanana ny JIOI : hitsapa ny Cospn sy ny GNBC i Mayotte
Tsy matoritory intsony ireo Nosy rahavavy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hotontosaina afaka enim-bolana eto Madagasikara fa tena efa anaty fanomanana tanteraka. Nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipan’i Mayotte, taranja basikety. Hitsapa ny Cospn sy ny GNBC ny anton-dian’izy ireo, araka ny fantatra ka hiatrika lalao maromaro ho fanomanana […]
Ping pong-Afrika: valo mianadahy ho any Djibouti
Hotanterahina any Djibouti, ny 9 hatramin’ny 12 marsa, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Manana solontena valo mianadahy hiatrika izany isika. Tanjona fohy ezaka tratrarina miaraka amin’ireto mpilalao ireto ny fandrombahana ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Afrika Atsinanana. Io no hahafahana mandray anjara […]




