Taratra

Orinasa STOI : zezika 10 t ho an’ny tantsaha traboina

Misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI, anisan’ny mpamokatra zezika biolojika sy ny fanjakana malagasy. Natolotr’ity orinasa ity teny amin’ny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny 31 janoary teo, ny zezika biolojika taroka milanja 10 taonina. Entina hanohanana ny tantsaha mpamokatra, tratry ny rivodoza Cheneso farany […]

Fotodrafitrasa: mitohy ny fanamboarana ny teleferika

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 1 febroary teo, ny fampahafantarana ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa teleferika, na fitaterana mihantona ampiasana tariby (TPC). Efa manomboka ny fanamboarana ny zotra Anosy-Soarano-Ambatobe. Tsy misy intsony ny sa-kana, satria efa nankatoavin’ny banky So­ciété générale, ny 31 janoary 2023 teo, ny famoahana ny […]

Toetr’andro : ahina mafy ny rivodoza amin’ny herinandro

Nanazava ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Am­pandrianomby fa vinavinaina hanome vahana ny fiforonana rivodoza ao amin’ny Ra­no­masimbe Indiana sy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambi­ka ireo fepetra an-dranomasina sy ny atmosfera amin’io herinandro miditra io (06 – 12 Febroary 2023). Misy fanahiana kely ho an’i Madagasikara ny amin’izany fiforonana andro […]

Fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny any Marovoay : nahazo tohana ara-tsakafo sy tolotra ara-pahasalamana ireo traboina

Nitsidika ny distrikan’i Marovoay ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nanomboka omaly ka ny kaominina Ankaboaka no nisantarany izany ary nitondrany tohana ho an’ny traboina miaraka amin’ny tolotra ara-pahasalamana. Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza Cheneso ao amin’ny kaominina Ankaboaka, distrikan’i Marovoay ,faritra Boe­ny, ny filoham-pirenena, Ra­joelina Andry, omaly. Ma­ha­tratra […]