Taratra

Raharaha Ambodihady: « Izay miaramila mandika lalàna dia iharan’ny sazy», hoy ny MFA

«Misy ny etika sy ny deontolojia momba ny fitsipi-pitondran-tenan’ny miaramila. Tsy misy baiko avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fitantanana eto anivon’ny Tafika Malagasy ny asa ratsy na­taon’ireo miaramila voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana teny Ambodihady», hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, omaly raha nitondra fanazavana […]

Andohatapenaka : Mpitondra moto voahitsaky ny fiara

Nandrika ny ra tetsy Andohatapenaka. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny ann-toerana, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Niseho teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be, eo amin’ny hopitaly manara-penitra ny loza. Lehilahy iray nitondra moto no naratra mafy voahitsaky ny fiara, zotra 159, teny an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny […]

Dahalo am-polony nitam-piadiana nanafika : Zaza mainty dimy maty voatifitra, takalonaina iray avotra

Notafihan’ny dahalo ny tanàna tao amin’ny kaominina Mahazomà ny alin’ny alahady teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo. Vokany, maty voatifitry ny olon-dratsy ny zaza mainty dimy. Takalonaina iray avotra soamantsara. Zaza mainty dimy lavon’ny olon-dratsy ka nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao amin’ny […]

Tenisy – WTA 125 K : Resin’i Lilli Tagger i Tiantsoa Sarah

Niatrika fifaninanana amin’ ny taranja tenisy indray ilay Malagasy mpilalao tenisy mi­zaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Tiantsoa Sarah. Omaly, nifaninana tamin’ny WTA 125 K, natao tany ST Malo, ny tovovavy. Resy teo amin’ny dingana ampaha 16-ndalana izy. Lavon’ilay aostralianina, i Lilli Tagger. Nion­drika tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahatafiditra baolina telo i Fenohasina Gilles, Malagasy mpilalaon’ny AL Merrik. Io baolina tafiditr’i Feno io no nahazoan’ny AL Merrik, ekipa sodaney, fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Bugesera, nandritra ny fifanintsanana roandey “Rwanda Premier League”. Niampy isa telo indray ny isan’ny Al Merrik ao amin’ity fifanintsanana ity ka mitana […]