Taratra

“Jamboree” any Korea Atsimo: telo lahy nahazo ny vatsin-dasy

Hotanterahina any amin’ny tanànan’i SaeManGeum, Jeollabuk-do, any Korea Atsimo ny ”Jamboree” maneran-tany andiany faha-25. Skoto zazalahy telo mirahalahy no hisolo tena an’i Mada­gasikara hiatrika izany any an-toerana. Izy ireo no voafantina hahazo ny vatsin-dasy hiantoka ny fivahinianana any mandritra ny 10 andro (1 ka hatramin’ny 12 aogositra 2023) hanaovana ny […]

Toetr’andro: hikija ny orana, ahina ny rivodoza ato ho ato

Mananontanona ny rivodoza! Hiakatra ny rano amin’ny toerana maro noho ny ora-mikija. Ahina ny mety ho fihotsahan’ny tany. Mila mivonona ny rehetra. Misy tangoron-drahona mivoatra mian­dalana ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 2500 km avaratra atsinanan’Antalaha no ahitana azy amin’izao fotoana ary mikisaka mianandrefana ha­trany ny diany. Heverina hivadika rivodoza […]

Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety

Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]

Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy

Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]

Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica

Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randria­miandrisoa Jessica, ilay Ma­la­gasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]