Hatrany an-dakilasy, norobain’ny tsy mataho-tody ny vary 11 gony sy menaka 35 tavoahangy an’ny mpanao “cantine” tao amin’ny EPP Ampasina Kaominina Andina, distrikan’Ambositra ny 9 janoary teo. Nipetraka tao amin’ny trano fitehirizan’entana anatin’ny EPP ao an-toerana ireo entana ireo. Ny alin’ny alatsinainy teo anefa, nitondran’ireo jiolahy tohatra ny trano fitehirizana […]
Taratra
Morondava: sefo fokontany matin’ny dahalo
Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana vono olona tao amin’ny fokontany Antsaribao, kaominina Analaiva, distrika Morondava ny alin’ny alatsinainy teo. Maty voatifitry ny andian-dahalo nirongo basy ny sefo fokontany tao an-toerana, tokony ho tamin’ny 12 ora alina. “Nanafika tao amin’io tanàna ireo dahalo ka namantana tao amin’ny trano fonenan’ity sefo fokontany”, […]
Fisolokiana : lehilahy vosambotra, nilaza ho mahavita «visa Schengen»
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alatsinainy teo, ny raharaha momba ilay mpisoloky pasipaoron’olona. Nilaza ho mahavita pasipaoro sy «visa Schengen» ny tenany ka nanararaotra izay sendra azy. Efa nahazo vola mitentina 4.900. 000Ar mihitsy izy ka nanjavona tsy hita popoka intsony. Ny volana novambra teo, nifankafantatra tamina lehilahy iray […]
Dahalo mpampijaly vahoaka : lavo i Lefidy sy Rabemahazaka
Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny i Lefidy sy Rabemazaka tao Ankerika, distrikan’Antsohihy. Naharay antso mahakasika azy roalahy ireto ny zandarimaria ao an-toerana nilaza fa nihaodihaody tao Ankerika izy ireo. Raikitra ny fidinana ifotony sy ny fifanenjehana. Araka izany, tsy nanam-po ireto dahalo fa niova ny paik’ady noentin’ny zandary […]
Olona efatra indray naratra : fiara 4×4 nifandona tamin’ny taksiborosy
Olona efatra naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara 4×4 sy taksiborosy iray, tao Ambohimahasoa, afakomaly… Nitrangana lozam-piarakodia nandratra olona indray teny amin’ny RN7, tao Ialatsara fokontany Ampanidinana, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, afakomaly hariva tamin’ny 6 ora. Fiara 4×4 iray marika Mitsubishi niainga avy aty Antananarivo hihazo an’i Fianarantsoa no nifandona […]




