Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary, izay niditra antsokosoko tao amin’ny EPP Analamalotra, Toamasina, omaly tamin’ny 09 ora 30 minitra maraina. Natosiny moramora hivoaka ilay moto mipetraka eo an-davarangana, nihevitra izy fa tsy hisy hahita. Nisy mpianatra nahita anefa izy, ary niantso olona hisambotra azy. Tonga teny an-toerana ny avy ao […]
Taratra
Natao tao anaty ranona kafe: Saron’ny zandary ireo rongony 10 fonosana
Saron’ny zandary miasa eo anivon’ny Poste Anosizato, omaly, ireo rongony 10 fonosana. Hita tao amin’ny tranona ramatoa iray monina etsy amin’ny Dalle, fokontany Ankazotoho, kaominina Anosizato Andrefana. Tsara afina tao anaty vilany takoboka mpitahiry hafanana ireo zava-mahadomelina ireo. Heverina ho ranon-kafe mafana hay ravina maina mpitondra ambiroa ho any amin’ny […]
Ambato Boeny : Mitaky ny hamerenana ny tranony ireo olon-tsotra
Tsipahin’ny olon-tsotra tompon’ny trano ny fibodoana mpitsabo iray mpiasam-panjakana ao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, ny taniny, amin’izao fotoana. Mitaky ny hamerenana ny taniny izy ireo taorian’ny fifanarahana nisy teo amin’ilay mpitsabo. “Misy taratasy ara-dalàna manambara fa mifarana ny 2024 ny fampiasan’ilay mpanararaotra fahefana ny tany”, hoy ny nambaran’ilay […]
Teny am-panetsana : Vehivavy bevohoka, maty nilatsaham-baratra
Maty nilatsaham-baratra teny am-panetsana maraina, ny vehivavy iray mitondra vohoka omaly tany Ambohidava Ambatondrazaka. Nanao ny asa aman-draharaha mahazatra azy izy no nitranga tampoka ny loza. Vehivavy mitondra vohoka dimy volana no maty nilatsaham-potaka tany an-tsaha, omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy 45 mn tany ho any. Tao […]
Kitra any Allemagne : Efa tompon-toerana i Bolo
Malagasy mpilalao baolina kitra, efa mametraka ny lazany any Allemagne, i Voahariniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Tapa-bolana teo izay no niarahany tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tompon-toerana sahady ny lehilahy, nandritra ireo fihaonana roa efa vita. Nilalao nandritra ny fe-potoana 45 minitra izy raha nifanandrina tamin’ny […]