Taratra

Rajaonson Hugues : “Tsy afa-miala amin’ny fitakian’ ny Unicef ny fanjakana”

Nanaitra ny maro ny fitakian’ny Unicef ny hamerenana ny vola fanampiana izay nanaovana fandaniana tsy nifanarahana. Tsy afa-miala amin’izany ny fanjakana, raha ny fijerin’ny mpahaihary Rajaonson Hugues. “Tsy afa-miala ny fan­jakana amin’ izao, na hoe ny mpitondra teo aloha aza no nampiasa azy. Satria rehefa manao famindram-pahefana dia tsy maintsy […]

Papa Benoit XVI : nampiray izao tontolo izao ny fandevenana

Notontosaina, omaly ma­ra­ina, ny sorona masina fanomezam-boninahitra an’Andria­manitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny Papa émérite Benoit XVI. Ni­tarika ny lamesa tao amin’ ny kianjan’i Md Piera ao Vatican, ny Papa François. Nisy ny kardinaly nanampy azy nitarika ny lamesa, noho ny tsy fahasalamana mahazo azy, ka tsy ahafahany mijoro maharitra. […]

Mandeha tsy moramora

Miroso tsy moramora ny fanovana. Fanovana inona moa fa ny resaka governemanta. Efa mandeha ny fifanatonana isan-karazany etsy sy eroa. Manomboka ny dokambarotra ireo minisitra amperinasa ataon’ny mpikaraman’ady eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mifanindran-dalana amin’izay koa ny fanaratsiana sy ny fandrimpandrika madinidinika. Samy manao izay ho afany na ny mpanohana na ny […]

Nolazaina fa tsy tamana : razana no naverin’ny mpampiasa an’i Anja

Niala an-tan0na handeha hikarama saingy tsy tamana i Anja. Naverin’ny mpampiasa azy nody tany Miarinarivo saingy efa vatam-paty sy vatana mangatsiaka no notsenain-dreniny. Mbola mitana ny sain’ ny maro ny raharaha momba ilay ankizivavy 15 taona maty afakomaly sy nalefa tamina taksiborosy nihazo an’i Miarinarivo. Ankehitriny, voatazona ao amin’ny zandarimaria […]