Momba ny vinan’ny toetry ny andro ho an’ny telo andro manaraka, ho betsaka ny orana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana anio. Handrahona kosa ho an’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Itasy sy ny tapany atsinanan’i Vakinankaratra sy Amron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Hisy orana mitsotokotoko ny faritra sisa […]
Taratra
Taona 2022 : nihena 1 tapitrisa ny trangan’aretina tazomoka
Nanodidina ny 2.400.000 ireo trangan’aretina tazomoka hita ny taona 2021. Nihena hatramin’ny 1.400.000 teo ho eo izany ny taona 2022. Io no tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny aretina tazomoka, omaly. Maro ny ezaka natao nahazoana ny vokatra. Tao ny fizarana lay misy odimoka maharitra (Mid) tamin’ireo distrika 101 manerana […]
Fihotsahan’ny tany: tokony hahatsapa tena ny mponina
Taorian’ny fametrahana saina mena 400 teny amin’ireo fokontany 15 voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina (eto Antananarivo) .Izay natao ho fampatsiahivana ny mponina fa misy ny tandindon-doza, manara-maso ny fivoaran’ny zava-misy eny an-toerana ny teknisianina. Ny rano mitsika any ambanin’ny tany eny […]
Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: hatsaraina ny kalitaon’ny fandraisana eny amin’ny hopitaly
Manoloana ny lesoka amin’ny fandraisan’olona, izay mampitaraina ny maro, eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana dia nanao fanamby ny hanao ezaka manokana mihitsy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika izany amin’ity taona 2023 ity. Nilaza ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa hanao ezaka goavana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly sy ireo […]
Rally Raid Moto: nandresy i Van Beveren
Notanterahina, omaly, ny dingana faha-5 amin’ny fifaninanana “Rally Raid Moto”, izay atao any Dakar. Izay vao nahazo ny fandresena voalohany tamin’ity taona ity, i Van Beveren, mpanamory frantsay ao amin’ny ekipan’ny Honda. Tsiahivina fa izy izay avy nankalaza ny faha-32 taonany, ny alarobia lasa teo. Marihina fa vitan’ity Frantsay ity […]




