Nijoro vavolombelona Rtoa Mizabety Lucienne, mpamboly kafe, filohan’ny kaoperativa Kafe Arabika Ampefy Itasy (KKAAI), teo anoloan’ny mpianatry ny sekoly ESD. Nambarany fa miantraika any amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro, ka anisan’izany ny kafe. Mila rano ny kafe arabika, nefa tsy ampy ny orana. Lasa mavomavo ny raviny, sady misy holatra […]
Taratra
Faritra Atsimo Andrefana : hananganana orinasa fanodinam-bokatra lehibe
Notoloran’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ny tetikasa PTASO*, hampiasaina amin’ny fametrahana ilay orinasa fanodinam-bokatra lehibe any Atsimo Andrefana. Efa manomboka ny fanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny fanadihadiana ifotony momba ny fametrahana ny faritra fanodinana ny vokatry ny tantsaha ho lasa vokatra ho azo jifain’ny mponina […]
Varotra anatiny : efa niasa avokoa ny 85 % amin’ny fiara
Tsy mitsahatra miroborobo ny varotra fiarakodia efa niasa avy any Eoropa tonga eto Madagasikara na eo aza ny krizy isan-karazany. Tamin’ny fotoanan’ny Covid, ohatra, ny fanafarana no nihena na nitsahatra, araka ny firenena niaviany fa ny varotra nandeha ihany teto an-toerana na somary nihena aza. Nisy fotoana nitombo 41 % […]
Vela-kevitra sekoly ESD: tsy ampy ny fandrindrana ny asa hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Nisy famelabelaran-kevitra mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mpianatry ny Sekoly ambony momba ny zo sy ny siansa politika (ESD) eny Nanisana, omaly. Nifantoka tamin’ny hoe « fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara ». Maromaro ireo manam-pahaizana avy eto Madagasikara sy avy any ivelany nandray anjara tamin’ny famelabelarana […]
Rivodoza Freddy : hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika
Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika afaka hateloana indray ilay rivodoza Freddy. Mangatsiaka ny maripanan’ny ranomasina ao ka heverina fa tsy hitombo hery izy, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Arahi-maso ihany ny fivoarany sy ny mety ho fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika. Ny […]





