Taratra

Mahavalalanina !

Mbola manjavozavo tanteraka ny resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Tsy hay mazava ny tena tian’ireto mpanao politika hahatongavana. Marina, efa mandeha ny fitetezam-paritra etsy sy eroa. Misy ny kivorivory avy amin’ny ankolafin-kery isan-karazany, saingy mbola tsy mamaha ny firoaroavan-tsaina misy eo amin’ny vahoaka malagasy izany. […]

20 andro vao navotsotra : nosandaina 70 tapitrisa Ar izy telo mianadahy

Nilaza ho nandoa 70 tapitrisa Ariary ny fianakaviana! Avotra soa aman-tsara, izy telo mianadahy takalonaina tao Morarano Chrome, Andilamena, 20 andro taty aoriana. Votsotra teny am-pelatan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo telo mi­anadahy nalaina an-keriny tao Ambohimanarivo-Morara­no Chrome, distrikan’Amparafa­ravola. Hita omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany anelakela-tendrombohitra tao Maizinandro, […]

Tselatra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nodomin’ny fiara teny By-Pass, omaly. Fiara iray nandeha mafy no nifaoka ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka anefa ilay fiara. Nanao izay ho afany ihany ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny loza saingy tsy nahazo ny laharan’ity fiara namoa-doza ity.   Manao ny ataony koa […]

Nitazona entana halatra: jiolahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, afakomaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fitazonana entana halatra. Nahazo loharanom-baovao ny polisy, ny 10 marsa 2023 tolakandro, fa misy jiolahy roa mampiahiahy nandeha moto Jog nanitrika sy nametraka kitapo eo Ambodipont, Ankirihiry Toamasina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy […]