Taratra

Covid-19 : mila mailo hatrany amin’ny fifampiharabana

Fotoanan’ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ny volana janoary, hifamotoanan’ny mpi­anakavy sy ny fikambanana manao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mila mailo hatrany anefa satria mbola miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ny aretina Covid-19. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny aretina. Anisan’ny tena saropady ireo ankizy madinika sy ny […]

May ny Bloc 15, Cité Vontovorona: mpianatra 50 traboina tsy manan-kialofana

Nitady vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina eny Vontovorona. 50 ireo tsy manan-kialofana ary nomena toerana vonjimaika. Naniraka avy hatrany ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assou­macou Elia Béatrice, nankeny Vontovorona, nanohana sy nampahery ireo […]

Fetin’ny taom-baovao : vola 150 000 Ar mahery no lanin’ny tokantrano iray

Tapitra ny fetin’ny taom-baovao, maro ireo olona hita teny amin’ny toerana fitsangatsanganana, toy ny eny Analakely sy Antaninarenina. Araka ny fanadihadiana na­tao, ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 150 000 ar mahery teo no lanin’ny fianakaviana iray nanaovana fety. Ireo tanora lahy sy vavy no saika hita nameno ny toeram-pivarotana. […]

Faritra Diana: mikatona ny jono Orita

Nanatanteraka ny fidinana ifotony, tany amin’ny fokontany Antanambao, Diana, ny 29 desambra lasa teo ny komity mpanara-maso, “Comité d’Orientation et Suivi” (COS). Araka izany, nisy ny tatitra vitsivitsy natao, ka nilazan’izy ireo tamin’ny mponina fa mikatona ny jono Orita, manomboka ny 1 janoary hatramin’ny 22 martsa 2023. Ary hiverina hikatona […]