Lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana lafo vidy tao anatin’ireo fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpandevina tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Nandritra ny fandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay mpandraharaha mpanefoefo sady fanta-daza teo amin’ny sehatry ny politika, nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, no nitrangan’izany. Tonga marobe […]
Taratra
Sambo rendrika: hita ilay vehivavy bevohoka nitsoaka
Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo. Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana famotorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo […]
Halatra : misy mitady vy 5 tapitrisa t isam-bolana
Misy mitady vy sy aluminium hatramin’ny 5000 tapitrisa t isam-bolana eto Madagasikara, aondrana any ivelany. Tsy misy fanarahan-dalàna ny varotra anatiny amin’izany fa varotra gaboraraka avokoa. Izay no maha betsaka ny halatra vy raha eto Antananarivo, vidina 800 Ar ny kilao. Ny masonkarena miala amin’ny tena mpanondrana, ny karaman’ilay mpanangona, […]
Fampiasam-bola : nodinihana hatramin’ny 2019 ny volavolan-dalàna
Manome antoka ny mpampiasa vola ny nandraisan’ny Filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Nifampidinihana hatramin’ny taona 2019 niaraka tamin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina rehetra, ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoropenina. Tapaka teo anivon’ny Vaomiera CRDA […]
Ranomasimbe Indianina : omen-danja ny vehivavy mpanjono
Noho ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy, natao tao Rodrigues ny 10 marsa teo ny atrikasan’ny Federasiona mpanjono tranainy aty amin’ny ranomasimbe Indianina (FPAOI),* miara-miasa amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Atrikasa nanomezan-danja ny vehivavy mpanjono aty amin’ny COI, anisan’izany Madagasikara. Afaka nandray fitenenana izay rehetra nanatrika nilazalaza momba ny asany, ny […]





