Taratra

Kamiao tra-doza : olona iray naratra mafy teny amin’ny RN7

Nentina novonjena eny anivon’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa ny mpamily mpanampy ny kamiao lehibe iray tra-doza tao amin’ny fokontany Volamena, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina teo amin’ny PK 396+400, omaly alahady. Noho ny olana teo amin’ny hisatra, nifatratra tany amin’ny tokantrano iray ilay kamiao.Tsy tafarin’ny mpamily intsony ny fiara ka nivadika teo […]

Filoha Rajoelina: nanome fanalefahan-tsazy ireo voafonja

Nisongadina nandritra ny kabary famaranana ny taona 2022 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja. Toy izao ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavan’ny Filoha. Ho an’ireo nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny dimy taona no ho midina dia hahazo fanalefahan-tsazy eo anelanelan’ny telo volana ka hatramin’ny valo volana. Ireo […]

NY VINAN’ IREO ATLETA

Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka) -Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fa­namby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika so­ka­jy Junior. Ankoatra izay, ha­­ka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afri­ka sokajy […]

Basikety : nodimandry i Veve Prince

Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 ja­no­ary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump). Mpi­kambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. […]