Zazamena vao valo volana efa tsy nisy aina intsony no hita tao anaty rano maloto tetsy Anjanahary omaly taorian’iny oram-be nikija iny. Natsingevan’ny rano izany ka hitan’ireo mponina teny an-toerana. Tsy fantatra hatreto izay olona ninia nanao ity habibiana ity. Marihina fa melohin’ny lalàna velona ny zavatra toy izao.
Taratra
Zava-mahadomelina : vehivavy iray nahatrarana “rôrô” 30 fonosana
Saron’ny polisim-pirenena, ny zoma teo, ny ramatoa iray mpivarotra rongony mahery vaika “rôrô”, etsy Antohomadinika. Isan’ireo mpamatsy io zava-mahadomelina io eny an-toerana ny tenany ka nanaovan’ny polisy bemidina avy hatrany. Tratra tao amin’ilay trano voalaza tokoa izy ary mbola nahitana fonosana “rôrô” 30 isa. Miandahy miambavy ny mpanjifa ity zava-mahadomelina […]
Fampitandreman’ny polisy : tsy nahasakana ny asan-jiolahy
Mahita irika ihany! Na teo aza ny fampitandremana nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ny kaomanidin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nandritra ny fankalazana ny fety teo. Tsy nisy fiantraikany fa vao mainka nanao ny nataony ny jiolahy tao Toamasina. Nirongatra izay tsiizy, ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, Toamasina sy Valpinson, […]
Brickaville : Trano 34 nirehitra, olona 149 tsy manan-kialofana
An-tapitrisa maro indray levon’ny afo nandritra ilay hain-trano goavana tao Brickaville, omaly maraina. Fianakaviana 68 tra-boina. Nijoalajoala ny afo tao amin’ny renivohitr’i Brickaville, omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nitrangana hain-trano goavana tao an-toerana, tsy lavitry ny toeram-pivarotana satra. Vokany, trano 34 indray kilan’ny afo, trano 10 hafa kosa […]
Ambalavao : taolam-paty 56 lasan’ny jiolahy
Noraofin’ny olon-dratsy indray ny taolam-paty tao Antsifotra, fokontany Vohitrarivo, kaominina Manampisoa, distrikan’Ambalavao, omaly. Naharay antso ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa nitrangana vaky fasana anatin’io fokontany io. Niantso ny manam-pahefana, nidina nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra. Nisokatra sy nakorotan’ireo tsivalahara ny fasana. Natao ny fanadihadiana ny tompom-pasana ka 56 […]




