Taratra

Vono olona : ady lova no namonoana ilay talen-tsekoly sy ny zanany

Hatao vela-pandrika ireo olona voarohirohy nahafaty ny renim-pianakaviana iray, talen’ny EPP Antanimena, sy ny zanany vavikely ao Manakambahiny andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, andro vitsy lasa izay. “Efa fantatra daholo ireo olona ahiana ho nahavanon-doza, ho porofoina izany ka hanaovana velam-pandrika izy ireo”, hoy ireo zandary mpanao famotorana. Voafaritra manaraka izay koa ny […]

Antanambao-Antsirabe II : lehibena fokontany rotiky ny bala

Nangalatra ombin’ny lehibena fokontany iray tao Am­batomanga, kaominina Anta­nambao Antsirabe II, maty voatifitry ny dahalo iray, ny 7 marsa teo. Nan­galarin’ity dahalo ity ny omby tamin’ny 10 ora alina. Nirifatra nandositra izy. Nika­roka, taorian’io, ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nanantona ny toerana voatondro ho […]

Halatra taova tao Mahanoro: namidin’izy mivady ny voamason’ny anadahin-dreniny

Noho ny tsy fananam-bola, novonoin’izy mivady ny anadahin-drenin’izy ireo nonina tao aminy, ny fiandohan’ny volana marsa teo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fantatra fa ireto mpivady ireto no nipetrahan’io olona hita faty tsy nisy taova io. « Efa antitra ka tsy namana amin’ny fitadiavam-bola intsony izy. Nisy olona nilaza ho […]

Pavillon Analakely : tontosa ny famindram-pitantanana

Tontosa, omaly, tetsy amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Filohan’ny fi­kambanan’ny mpivarotra ta­loha sy vaovao eo anivon’ny Pavillon Analakely. Nanaton­tosa izany ny filoha taloha, Rtoa Sarah sy ny filoha vaovao, Atoa Rakotonirina Clau­de. Toarian’ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra, tsy na­naiky ny SMGD. Niroso tamin’ ny fifidianana ny ho […]

Fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra: mpiasa sosialy 60 nahazo mari-pankasitrahana

Nanampy ny fahaiza-manaony ireo mpiasa sosialy. Mba handray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra eto amin’ny Nosy. Natolotry ny Unicef, omaly, teny Ankatso, ny mari-pahaizan’izy ireo. Mpiofana miisa 60 no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Unicef, omaly. Natao teny amin’ny Oniversiten’Antana­narivo, Faculté EGS (Toeka­rena, Géologie, Fiarahamo­nina) teny Ankatso, ny lanonana. Nisitraka izany […]