Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba am-panajana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, André Haja Resampa, teny Ambohijatovo, ny mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis. Niresaka momba ny fanomanana ny fifanintsanan’ny Can 2023 izy ireo. Taorian’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fanatanjahantena sy filohana federasiona isan-tsokajiny, tonga niarahaba sy nirary soa ny […]
Taratra
Africa Code Challenge 2022 : laharana voalohany ny solontena malagasy
Voahosotra ho mpandresin’ny «Africa code Challenge 2022 » ny solontena malagasy. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Ravinala, niarahan’i Henintsoa Camille sy Warren Mériti ary Shekinah Mayevan, nisalahy no nahazoana izany vokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana tamin’iny taona iny ny hoe «Hiara-hiaro ny tontolo iainana isika». « Ity andiany ity no nampitaintaina indrindra. Mbola nasehon’ny […]
Nosy Varika : tonga ny fanampiana
Nizara fanampiana sy tohana ara-tsakafo ho an’ireo vahoaka marefo sy niharan’ ny voka-dratsy nateraky ny rivodoza Freddy tany Nosy Varika ny fitondram-panjakana. Hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina sy hahafahan’izy ireo miarina haingana izany. Tokantrano miisa 1864 ao amin’ny fokontany 16 ao anatin’ny kaominina an-drenivohitr’i Nosy Varika no nisitraka ny Vatsy tsinjo […]
Boriborintany enina :1200 ny kopia hozaraina amin’ny mponina
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny boriborintany fahefatra ny fizarana kopia faobe. Mahatratra 1200 izany, hozaraina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Hisitraka izany ireo ankizy latsaky ny 12 taona eny anivon’ny fokontany. Tanjona ny hanampiana ny zaza sy ny ray aman-dreny manana olana amin’ny tsy fananana […]
Jly Ramasy Razafindratovo : «Vonona hanohy ireo zava-bitan’ny Tafika »
Vonona ny hanohy ireo zava-bita taloha ary hanao misimisy kokoa hatrany, io no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tetsy Ampahibe, omaly. Voatendry hisolo toerana ny sekretera jeneraly, tontosa io omaly io ny famindram-pitantanana teo amin’ny sekretera jeneraly taloha, ny amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue sy ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. […]





