Taratra

Vao herinandro niasana : lehilahy iray tratra nivarotra « cocaïne »

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay mpivarotra rongony ma­hery vaika tratra teny 67ha afakomaly. Ny talata maraina teo, nahazo loharanom-baovao mahakasika ity lehilahy 30 taona ity ny polisy miasa eny an-toerana. Nisokatra ny fanadihadiana sady nanamarina izany ny mpitandro filaminana. Fantatra nandritra izay ny toeram-pivarotan’ity lehilahy ity zava-mahadomelina . […]

Ampandrana : mpanendaka roa tratran’ny polisy

Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy teny Ampan­drana, afakomaly. Ny polisin’ny CSP3 Antaninandro no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Nifanehatra tamin’olona niantso vonjy tamin’ny lalana iray eny Ampandrana ny polisy ka nandray ny andraikiny avy hatrany nifanenjika tamin’ireo olon-dratsy tany anaty elakela-trano. Tsy afa-bela teo anatrehan’ireo polisy ireto […]

Fianarantsoa: tratra ireo efa-dahy nangalatra zaza varira sy namono ny reniny

Ireto efa-dahy tratran’ny zandary ireto no niteraka ny raharaha fifandonana tao Ikongo momba ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty ny reniny… Tratra ihany! Voasam­botry ny zandary tao Fianarantsoa, omaly an­toandro, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny renin’ilay zaza, ny 29 […]

Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay

Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampa­tra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo an­kizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]