Taratra

Foto-pisainana malagasy : tsy fakana taranaka fotsiny ny vehivavy

«Ny hanambadian-kiterahana», hoy ny oha-pitenenana malagasy. Tena tsy niala lavitra izay tokoa ny nandraisan’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy. Loharanon-taranaka ahazoana ny ho dimby sy ny ho fara. Zava-dehibe tsy voavidy vola na voasandan-javatra hafa ny taranaka ho an’ny Malagasy. Sokajina ho faraidiny ny vehivavy mom­ba. Maro anefa ireo diso hevitra […]

Fiaraha-miasa: hanao fanazarantena iraisana ny Tafika malagasy sy frantsay

Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-tafika ny firenena frantsay. Hisy, araka izany, ny fanazarantena iraisan’ny Tafika mala­gasy sy frantsay… “Mitohy hatrany ny fiaraha-mia­sa efa nisy ha­tramin’izay teo amin’i Mada­gasikara sy Frantsa izay niato noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ara-tafika izay […]

Lalana « Autoroute » : honerana ny tompon’ny tany

Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalana migodana «autoroute» ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Andrianatrehina Ndria­mihaja Livah, ny alakamisy teo. Mirefy 20 km ny lalana efa voasoritra, ataon’ireo fiarabe sy ny fitaovana vaventy. Misy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajain’ny orinasa manao ny asa. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasin’ny […]

Banky Baobab sy Airtel Money: miara-miombon’ antoka amin’ny fampiasam-bola

Miara-miasa amin’ny fomba ofisialy nanomboka ny 2 marsa ny Banky Baobab sy ny Airtel Money. Hampi­tombo ny fampiasam-bola eto Madagasikara, araka ny tolotra fampiasan’ny Airtel Mo­ney ny fifanarahan’ny roa tonta. Fanamby lehibe izao amin’ny fampiasam-bola iarahan’izy ireo. Tsy atao sakana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny firenena izany, amin’ny ankapobeny. […]

Pavillon Analakely : voafidy ho Filoha Atoa Rakotonirina Claude

Vita soa aman-tsara testy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fifidianana izay ho filohan’ny mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, omaly. Lany nandritra ny latsa-bato, Atoa Rakotonirina Claude. Nahazo vato 195 izy. 106 ho an-dRamatoa Saraha, kandidà nifaninana taminy. 309 no isan’ny mpifidy nadatsa-bato. Nisy telo no nanao vato fotsy. Dimy ny vato […]