Nihira ny hira “Ne partez pas sans moi” ireo mpianatry ny « Star Academy »Ny asabotsy 24 desambra lasa teo, tamin’ny fandaharana manokana « Les 12 coups de Noël » tao amin’ny TF1. Saingy tsy naharesy lahatra ny mpampiasa aterineto ny zava-bitan’izy ireo, tamin’ny “playback”, diso fanantenana tsy nahita ireo […]
Taratra
Fivoriana tsy ara-potoana: angatahin’ny depiote sasany
Tsy mbola milamina? Na tsy amin’ny serasera sy ny fifandraisana… Na nifarana aza ny fivoriana ara-potoana faharoa, misy ny depiote nilaza hangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana ny amin’ny fitantanam-bola eny anivon’ny Antenimierampirenena. “Izahay aloha dia hangataka an’izay fivoriana tsy ara-potoana izay, ary tsy maintsy tonga amin’ny fifampiresahana”, hoy ny […]
Fanisana mpifidy: tsy ampy ny fanentanana eny ifotony
“Amin’ny ankapobeny, mavitrika amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena. Na izany eo, raha ny marina: eo koa ny tsy fahampian’ny fanentanana”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana amin’izao. Mandeha tsara amin’ny ankapobeny ny […]
Hafatra Noely: miantso fandinihan-tena tsy hifampihantsiana ny FFKM
“Mitarika antsika handini-tena ao anatin’ny fanetren-tena ny Filazantsaran’ny famonjena, ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin’ny fahalovana sy ny ratsy fanao”, hoy ny hafatry ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), noho ny fahatongavan’ny Noely 2022. Niaingan’ny fanambaran’izy ireo ny hoe: “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy […]
Pr Ranjeva Raymond: “Zon’ny rehetra ny misitraka fandriampahalemana…”
Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Noely izao ny filohan’ny Académie Africaine des Sciences Religieuses Sociales et Politiques – AASRSP, ny Pr Ranjeva Raymond. Nambarany tamin’izany fa tokony hahatonga izao tontolo izao ho mendrika ny hafaliana entin’ny fahaterahan’i Jesoa. “Ao anatin’ny firahalahiana tanteraka ary mba hisitraka ny zo ho an’ny filaminana sy […]




