Manana ny lanjany amin’ny tontolo iainana ny sokake, any Atsimo. Fady ho an’ny mponina, ka ilaina ny fitandroana sy ny fiarovana. Misy ny lalàna miaro ny sokake amin’ny maha biby tsy hita afa-tsy eto amintsika azy. Nisy sokake, karazan-tsokatra sokake (Astrochelys radiata), miisa 20 tratran’ny polisy tany amin’ny kaominina Ankidona […]
Taratra
Farafangana : fianakaviana marefo 506 nisitraka tohana sakafo
Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ ny depioten’ i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN) ary ny minisiteran’ ny Mponina, nisitraka “rations de protéction” ny fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 506. Ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka ary vehivavy mampinono samy tsy […]
Fahasalaman’ny daholobe: napetraka ny komity handrindra ny asa eny ifotony
Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe. Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara. Iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika izany. […]
Kaominina Antsahalalina: nahazo ivontoerana Maman kangourou ny CSB II
Lasa tanàna Orange Antsahalalina, distrikan’i Manjakadriana ny taona 2019 noho ny fanohanana nentin’ny Fondation Orange nahafahana nanavao tanteraka ny fotodrafitrasa samihafa. Efatra taona aty aoriana, nahazo ivontoerana manolotra fikarakarana ny zaza menavava, Maman kangourou, ny kaominina. Ny tobim-pahasalamana fototra CBSII ihany no nohatsaraina sy nampitaovana handraisana ireo zaza vao teraka. […]
Andron’ny vehivavy: sahanasa maro no hanamarihana ny 8 marsa
Hiompana amin’ny karazana sahanasa maro ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ity taona ity. Lohahevitra hovoizina amin’ izany ny hoe: “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”. Eo ambany fitarihan’ny fikambanana Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny hetsika rehetra. Ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Mponina. Ny 1 hatramin’ny 5 […]





