Taratra

Kitra – «Chan 2023»: mpilalao 26 mandrafitra ny Barea de Madagascar

Mifangaro ao anatin’ny lisitry ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, ireo mpilalao manana traikefa sy ireo teknisianina. Vonona ry zalahy, hiatrika ny fifaninanana. Namoaka ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho […]

Rugby – Federasiona frantsay: nanaiky hiato i Bernard Laporte fa tsy hiala

Tsy nandà ny sazy fampiatoana, amin’ny maha filohan’ny federasiona, taranja rugby frantsay (FFR) azy, i Bernard Laporte. Saingy tsy manaiky ny hanasorana azy tsy ho filoha intsony. Araka ny vaovao hita, tao anaty tambajotran tserasera, omaly. Hijanona amin’ny asany ity lehiben’ny FFR ity, mandra-piandry ny fitsarana azy farany. Raha tsiahivina […]

Fiparitahan’ny otrikaretina: nahazo fampitaovana hitantanana ny fako ny LA2M   

Noho ny fivoaran’ny zava-misy maneran-tany indrindra ny fisehoan’ny valanaretina samihafa, ilaina ny fananana drafitra fitantana ny fako mampidi-doza ho an’ny fahasalamana.     “Teo aloha, alain’ny mpiasan’ny HJRA ny fako araka ny lamina.  Ankehitriny noho ny fampitaovana avy amin’ny Japoney, mahaleotena amin’ny fitantanana ny fakony ny laboratoara”, araka ny fanazavan’ny talen’ny LA2M, […]

Fety ieren-doza: ialana ny fihinanana sakafo be menaka sy lany daty

Ilaina fitandremana ny fihinana sakafo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Anisan’ny fotoana ahitana  trangana  fanapoizanana ara-tsakafo izao, hoy ny mpitsabo.  Manoloana izany, tsy tsara ny mihinana sakafo be menaka toy ny « mayonnaise » ary ny sakafo lany daty isan-karazany.  Jerena tsara  mihitsy ny datin’ireny sakafo amidy eny an-tsena ireny vao hohanina. […]

Fankalazana ny fety: hisy orana tandrifin-drahona ny alina

Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava, hahazo orana tandrifin-drahona avokoa ny takariva sy ny alina anio sy rahampitso, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitsitokotoko ny orana ka mila miomana amin’ny fitaovam-piarovana hatrany ny tsirairay raha hamonjy fandaharam-potoana  amin’ny alina fa tsy […]