Taratra

Madagaslam: Mitohy ny hetsika ho an’ ny fikambanana

Zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-misy sy ny vitan’ny teo aloha ahafahana manatsara sy manasongadina ny aty aoriana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fampirantiana tao anatin’izay fotoana izay. Miditra amin’ny andro farany, hamaranana ny fampirantiana mahakasika ny Slam Malagasy, ny etsy amin’ny Ivotoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola. Tanjona ny hampahafantarana ny […]

Talenta sy fivelarana: azo hararaotina hanalana sakana ny « Fetin’ny Noely »

 Anisan’ny mifamatotra akaiky amin’ny « fety » ireto : hira, dihy. Tsy voatery ho mpanakanto ihany vao afaka manatanteraka ireo amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Maro rahateo ny sehatra ahafahana manatanteraka izany. « Fetin’ny Noely », any an-tokantrano, any am-piangonana, iraisan’ny fianakaviana, sns. Maro ny manan-talenta fa itoeran’ny henatra. Tsy vitsy ireo tokony hipoitra fa tsy […]

Krismasy: miandrandra sy mila fitoniana ny vahoaka

Krismasy… krizy mafy? Saika efa mila hahazatra sy mandeha hoazy izay fitenenana izay. Efa mba misy ny fiovana? Isan-taona, saika tsy mahafa-bela ny fahasahiranana. Tsy maintsy atrehina ny fety, araka izay tandrify sy zakan’ny isan-tokantrano sy ny tsirairay. Eny, na ny isan-tsehatra aza: sampandraharaha sy orinasa, ambaratongam-pitondrana, fikambanana… Misy amin’izany […]

Lokanga sy valiha: Krismasy ho an’ny rehetra

Tonga indray ity ny Noely na Krismasy… Firy taona mitsingerina izay? Fety kristianina, andro fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao ho an’izay mino, te hovonjena… Foto-pinoana izay. Tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra mba hahatonga ho zanak’Andriamanitra ny olombelona. Hatraiza no hahazoana miaina sy mivelona amin’izany? Eo […]