Taratra

Ambohimirary: Cash point voatafika, lehilahy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambohimirary, afakomaly hariva. Voatifitra teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana mpanao Cash point. Voaroba ny vola tanaty sakaosy kely. Nihorohoro tanteraka! Tsy nisy sahy nivoaka, nihaino sy nitazana ny fipoapoakin’ny basin’ ireo jiolahy roalahy nandroba ny raim-pianakaviana iray, tetsy Am­bohimirary, ireo olona manodidina, ny harivan’ny alatsinainy teo […]

Behoririka: Jiolahy tratra teny ambony tafona tranombarotra

Tazonina eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo Antaninandro (CSP3) ilay jiolahy tratra teo ambony tafona tranombarotra iray, eny Behoririka, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Ireo polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahita azy teo ambony tafon-trano, ary tsy afa-nandositra intsony izy ka noraisim-potsiny teo. Tratra teny aminy ny gony iray […]

Ankaramena : mpangalatra taolam-paty sy zaza varira tratra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’An­ka­ramena, afakomaly, ny an­dian-jiolahy voarohirohy ami­na raharaha vaky fasana narahina halatra sy fivarotana taolam-paty. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mpanao trafikana taolam-paty ao amin’ity tanàna ity. Nametraka ny paikady […]

Tratra i Ledada : nanaparitaka Vola sandoka 1 tapitrisa Ar

Sarona teny amin’i Le­dada ny vola sandoka mitentina 1 740 000 Ar, tao Ambala­mahatsara, kaominina Ambo­vombe-Centre, distrikan’i Ma­­­nandriana, ny alahady teo. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao amin’­ny kariera iray ao Am­ba­lamahatsara. Nanao fitsirihana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nosamborina ny tompon’antoka. Tra-tehaka tamin’izany i Ledada. Nosavaina […]

Behoririka : mpiasan’izy mivady taloha ny iray tamin’ny mpanafika

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha fandrobana sy fanafihana mpivady teratany karana, tetsy Behoririka, afakomaly atoandro. Vehiva­vy roa sy lehilahy telo nirongo basy vita gasy ireo jiolahy voatondro ho nahavanon-doza. Voasaringotra amin’izany ny vehivavy iray efa niasa tao amin’ireo voatafika. “Mpanasa lamban’izy mivady teo aloha ny iray tamin’ireo vehivavy […]