Taratra

“Raharaha volamena 73,5 Kg” : andrasana ny fampodiana ireo voampanga

“Efa nisy fangatahana nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an’ireo voampanga aty an-tanindrazana, ary aty ry zareo no mamita ny saziny. Toy izany koa ny volamena, efa misy fangatahana ny fampodiana azy ireo aty Madagasikara”. Io ny fanazavan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), […]

RMDM: mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Avo feo ny eo anivon’ny fanoherana. Nambaran’ny eo anivon’ny RMDM, tetsy Bel Air, omaly fa tokony hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. «Atsaharo izany ary avoahy ato anatin’ny fotoana fohy ireo nogadraina noho ny resaka politika», hoy izy ireo. Notanisain’ny RMDM ho anisan’izany ny […]

Vono olona : miaramila kaporaly migadra mandra-pahafatiny

Norarahana poizina ny sa­kafon’ny mpamily, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy avy eo. No­te­te­hina sy nosarahana tamin’ny vatany ny tanany, vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy ny filahiany. Niakatra fitsarana, ny alatsinainy teo, Rakotozafy Jus­tin Pritchard, miaramila kaporaly miasa ao amin’ny toby  Analakinina Hopitalibe, Toa­masina. Voarohirohy  […]

Fijery miabo

Resabe hatramin’izao ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Isan-taona anefa, rehefa volana desambra vao mipaika ny faha-10 na faha-11 ny volana dia efa maharay hafatra miafina avy amin’ny banky. Mifamahofaho be ny antony mahatonga izany. Toy ny mahazatra, tsy misy ny filazana na fanazavana ofisialy avy amin’ny tomponandraikitra. Samy mangingina […]