Sahirana ny mpandraharaha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany. Simba ny seranan-tsambo iombonan’ireo faritra ireo, nefa raha ny tatitra nataon’ny mpandraharaha maro, dia misy vokatra fanondrana maro hita any, toy ny kafe, lavanila, jirofo, letisia, izay anisan’ny vokatra fanondrana sady fiveloman’ny olona maro. Tsy hahita seranan-tsambo, ohatra, hatramin’izao […]
Taratra
Mpamongady sy mpaninjara ao Androy: Misoroka ny fiakaran’ny vidin’entana
Hisorohana ny fiakaran’ny vidin’entana sy hiatrehana ny maitso ahitra, nikaon-doha ireo mpamongady sy mpaninjara tao Androy, ny alahady teo. Nentanin’ny DRICC ao an-toerana ireto mpisehatra amin’ny famarotana ny entana ilain’ny mponina an-davanandro ireto mba hampitombo ny fanafarana entana. Tsy vitan’io, tokony hanangona tahiry mihoatra ny filan’ireo mpanjifa ao Androy koa […]
Taolagnaro: nifanaraka ny QMM sy ireo nampisy olana teo aloha
Ny 16 desambra 2022 lasa teo, taorian’ny dinika naharitra roa andro teo ambany fiahian’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, vita ny fifanarahana mampandeha ny asa, any Taolagnaro. Ny QMM, ny solontenan’ireo mpanao fihetsiketsehana, ny manam-pahefana ao an-toerana […]
Toamasina: fambolena zana-kazo vaventy
Niampy dimy ny isan’ny toerana famokarana zana-kazo vaventy nataon’ny fanjakana. Manampy ny any Atsinanana sy ny any amin’ny toera-kafa izany, hiatrehana ny taom-pambolena 2022-2023. Tonga nijery izany tany Toamasina ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Rtoa Vina Marie-Orléa, ny herinandro lasa teo. Nankasitraka feno ity finiavan’ny […]
Asa avotra mirindra-Fid: maherin’ny 4.400.000 ny mpahazo tombontsoa
Fandaharanasa tanterahin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny Asa avotra mirindra, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Maromaro ny tetikasa entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mpahazo tombontsoa, hametrahana tontolo miaro ny tontolo iainana sy hisian’ny fitoniana ara-tsosialy. Tena kendrena ny fianakaviana marefo, indrindra ny vehivavy. Misy ny fanampiana ara-bola, ny tohana hitantana tetikasa […]




