Taratra

Rayan Raveloson : nitondra fandresena ho an’ny ekipany

Nahatafiditra baolina Raveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny AJ Auxerre Fantsa. Baolina tokana nitondra fandresena ho an’ny AJ Auxerre, rehefa nandavo ny FC Lorient, klioba frantsay tamin’ny isa 1 no ho 0. Lalao notanterahina, omaly, tao amin’ny kianjan’i Le Moustoir Frantsa. Fihao­nana tafiditra amin’ny andro faha-25 ny fiadiana […]

Rugby – « XXL Top 20 »: mampiseho ny maha sangany azy ny Cosfa sy ny FTM

Mbola mampiseho ny tena maha ekipa sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjaka­ray, nandritra ny fifaninanana Top 20 taranja rugby 2023. Lalaon’ ny andro voalohany amin’ny fifaninanana, notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka. Lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 118 no ho 17 ny JSTA Ambon­drona. Ny […]

Volley-CAVBZone 7: tsara fanombohana ny ekipan’ny GNVB

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tao Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), taranja Volley ball. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena malagasy. Fandresena avy hatrany no azon’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), sokajy vehivavy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana « CAVBZone […]