Taratra

Filoha nasionalin’ny Tim : “Hajao ny zo haneho hevitra sy ny demokrasia”

Nitohy teny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsiky ny Tim, niarahana tamin’ny distrikan’Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana Marc tamin’ny lahateniny, taorian’ny sakana natao azy ireo tetsy Behoririka ny zoma teo. Nanteriny fa mahamenatra ireny fihetsiky ny mpitondra ireny… Tompon’ andraikitra nanome baiko ny […]

Lalàm-pifidianana : tsy mandà fanitsiana ny Ceni

“Zon’ny depiote ny mitondra hevitra toy izany. Raha mahazo ny fankatoavan’ny maro anisa eny anivon’ny parlemanta mpanao lalàna izany, tsy afa-kanohitra izahay”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny mpanohitra ny hanitsiana ny andinin-dalàna momba ny Ceni. Lalàna no mametraka sy maniraka ny Ceni amin’ny asany. Rehefa miova […]

Fihaonambe fampisehoan-kery : mitaky toerana eny Mahazoarivo ny zanak’i Fianarantsoa

Nihaona tao amin’ny kianja Don Bosco Ankofafa Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Fikambanan’ny zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi). Tsy nitsitsy fitenenana ireo olobe teo amin’ny resaka politika. Maromaro ny fitakian’izy ireo tamin’izany. Hentitra ny lahateny nataon’ny filoha nasionaly, mpitarika ny fikambanana, Razanamahasoa Christine. “Aoka tsy hatao fasan’ny tetikasa hatrany i […]

Eo ny vahoaka mitsara dieny izao…

Mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana. Izay ny politika amin’izao? Tsy mahagaga, tsy atao mahataitra… Ao anatin’ny taom-pifidianana, miakatrakatra ho azy ny maripana amin’ny adihevitra sy hetsika politika. Miady sy misisika mafy handemena ny fitondram-panjakana, ohatra, ny mpanohitra. Misy tonga amin’ny karazana famendrofendroana, fanozongozonana, fanakorontanana… Atao avokoa ny karazana hetsika […]