“Aoka isika tsy hikorontana… Ilaina ny fitoniana. Aleo handeha ny fampandrosoana”, hoy ny depiote, voafidy tao Farafangana, Raheriharijaona Regina Clarisse, omaly tetsy Anosy. Nohitsiny fa tsy anisan’ireo nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny tenany. Safidy io ary tsy ifanomezany tsiny amin’ireo namany. Na izany aza, anisan’ny mamaritra ny fitoniana […]
Taratra
Otrikafo: “Ahina hiavian’ny fipoahana sosialy ny delestazy”
Naneho hevitra manoloana ny olana sosialy, indrindra ny fahatapahan-jiro tato ho ato ny Otrikafo. Nametraka ny ahiahiny izy ireo. “Manahy izahay hoe io no hiavian’ny fipoahana sosialy manaraka eo, raha tsy mitandrina ny mpitondra fanjakana. Apetrakay ny adihevitra hoe: tsy hirosoana ve ny vahaolana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, […]
Jery taratra…
Tsy fahatokisam-pitsipahana Nisy ny fiantsoan’ny Antenimierampirenena ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nikaton-trano ny fihaonana tamin’izany. Saingy nivoaka tamin’ny tsiliantsofina tetsy sy teroa ihany fa ny Antenimierampirenena no hoe manontany sy manara-maso ny asa sy izay ataon’ny governemanta, fa tsy ny mifamadika amin’izay: ny governemanta indray […]
Bianco – Ady amin’ny kolikoly: anaovana angaredona ny tambajotran’ny tsimatimanota
Nomarihina, omaly, ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Nampita hafatra momba izany ny eo anivon’ ny Bianco, manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena. “Tsy maintsy akatona miaraka ireo hirika manome vahana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Andao hiara-mientana hitsipaka ny tsikombakomba sy ny tambajotran’ny tsimatimanota […]
Ahina hiverina ny tantara
Mihozongozona ny fahefam-panjakana, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Nandamoaka ny fitsipaham-pitokisana, nikasana handravana ny governemanta. Mivadika anefa ny rasa, ny toerana misy ny tompon-trano ao Iavoloha mihitsy izao no tandindonin-doza. Mamay ny toe-draharaha politika. Ho kila forehitra eo izay tsy mahay milalao afo. Mahoraka hatramin’ny fotoana nanoratana ny filazana fa mikiry […]




