Taratra

Varotra lavanila: nifampiresaka ny mpandraharaha sy ny minisitera

Ny 15 novambra 2022 no nisokatra ny fotoam-panondranana lavanila ary tsy hitsahatra izany raha tsy ny faran’ ny volana mey 2023. Natom­boka ny dinika fitadiavam-bahaolana eo amin’ny fihariana lavanila manoloana ny ola­na misy sy ny fitarainana. Noho izany, nanokatra fiaraha-midinika ta­min’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ny minisitera misahana ny Varotra. Dingana […]

Fandraharahana: mitaky fitsarana madio sy tsy mitanila ny Gem

Mahatsikaritra ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), fa maromaro ny raharaham-pitsarana mikasika ny orinasa tsy miankina, tsy voahaja ny lalàna. Miteraka endrika ratsy ho an’ny Madagasikara ho an’ny mpampiasa vola vahiny izany, sy eo anatrehan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra. Manaitra ny sain’ny fi­tondram-panjakana ny Vondron’ny mpan­draharaha eto Madagasikara mikasika ny […]

Cua – Boriborintany enina : hizara kopia fohy miisa 6000

Hizara kopia fohy maimaimpoana ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Miisa 6000 izany ary 1000 isa hozaraina isaky ny boriborintany tsirairay avy. Hi­sitraka ity tolotra ity ireo ray aman-dreny sahirana mampiana-janaka eto Andrenivo­hitra. Mba ho fitsinjovona azy ireo amin’ny fikarakarana antontan-taratasim-panadinana ny tanjona. Hahazo tombony ireo ray aman-dreny sahirana manan-janaka hanala fanadinam-panjakana […]

Fambolen-kazo 2023: naneho firaisankiana ny mpomba ny filoha Rajoelina Andry

Marobe ireo olona tonga namboly hazo teny amin’ny kaominina Masindray, omaly. Fambolen-kazo notarihin’ny goverinoran’Analamanga, Rasoa­ma­ro­maka Hery. Niara­hana tamin’ireo antoko sy fi­kambanana ary olon-tsotra ma­nohana ny asa fampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry izany. Nande­fa solontena avokoa ny boriborintany sy ny kaominina rehetra eto Anala­manga. Ankoatra izany ireo fikambanana isan-karazana sy olon-tsotra […]