Hita faty tao anaty rano teny amin’ny karieran’Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo, i Christianah rehefa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo. Nampivarahontsana. Natsingevan’ny rano afakomaly, teny amin’ ny karieran’Ambohimahitsy ilay zazavavikely enin-taona tsy hita hatramin’ny alatsinainy teo. « Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo no nisy nahita izy, ary […]
Taratra
Ihosy : kamiaobe tratra nitondra vato Lepidolite
Tratran’ny zandary tao Sahambano Ihosy, ny 29 janoary 2023 tamin’ny 8 ora maraina, ny kamiaobe iray nitondra vato tsy misy taratasy mazava. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana no nahatrarana ity kamiaobe niaraka tamin’ireto vato tsy ara-dalàna milanja enina taonina ireto. Karazam-bato antsoina hoe Lepidolite ireto tratra ireto, […]
Antenimierandoholona: nahomby 95% ny fambolen-kazo
Nidina ifotony tany Tsaramandroso, Manerinerina Ankazobe roa andro mialohan’ny fambolen-kazo hatao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimananana, omaly. Nahavelom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany tamin’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa. Nojerena koa ny velarantany hatrany amin’ny 50ha hovolen’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona zanakazo miisa 70 000 fototra. “Tanjona ny hiarovana […]
Andron’ny manamboninahitra lefitra : feno 60 taona ny sekoly ENSOA
Andro miavaka amin’ireo manamboninahitra lefitra ny 01 febroary, nankalazaina nandritra izany koa ny faha-60 taona ny sekolim-pirenena manofana azy ireo. Andro manan-tantara ho an’ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy ny 01 febroary. Omaly, feno 60 taona ihany koa ny sekolim-pirenena ho an’ny manamboninahitra lefitra “ENSOA”. Nankalaza izany ny foloalindahy […]
Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana novambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. Ankoatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]





