Tafiditra anatin’ny hetsika ataon’ny zandary ny mandrava tambajotrana mpangalatr’omby eto amin’ny Nosy. Nisy, araka izany, voasambotr’ireo zandary miasa ao amin’ny distrikan’i Mahitsy. Ny 12 novambra teo, nisy namoaka ireo omby telo tao am-pisoko tao amin’ny fokontany Ankeniheny Alarobia, kaominina Mananjara. Natao ny vela-pandrika. Natomboka ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao rehetra. […]
Taratra
Varotra rongony: mpamatsy mpianatra tra-tehaky ny polisy
Voasambotra taorian’ny vela-pandriky ny polisy ilay lehilahy isan’ireo mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eto an-drenivohitra. Tratra, afakomaly tolakandro, teny Ambohijatovo izy rehefa nahazoana fitarainana maro samihafa. “Isan’ireo mpamatsy rongony amin’ireo mpianatra manodidina ny sekoly eny Amparibe, Mahamasina sy Ampefiloha sy ny manodidina ity lehilahy ity”, hoy ny polisim-pirenena. Vokany, mitaraina mafy […]
Toamasina: mpanao gazety voatrobaka antsy
Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony izy telo mianaka mba hampiasa vantana […]
Fivarotan-tena ana habaka: vehivavy telo nalefa eny am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy telo voalaza ho mampiasa tovovavy amin’ny asa mamoafady ana habaka. Mbola hokarohina sy hosamborina ihany ireo tambajotra minia mbola manao izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy miisa telo voasaringotra amin’ny fampivarotan-tena ankizivavy. Herinandro vitsy lasa izay, nahazo vaovao momba ity asa […]
Eran-tany
Ireo firenena matanjaka indrindra ara-toekarena, taona 2022, dia voalohany Etazonia, Chine, Japana, Alemaina, araka ny fandaharan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Ny harinkarena faobe (PIB) any amin’ireo firenena ireo nandaharana azy ireo. Mafy ho an’ny firenena maro eo amin’ny fihariana ny valanaretina sy ny faharetan’ny ady any Ukraine, ary vao mainka nanampy […]




