Taratra

VPHM : “Mila ravana ny governemanta”

“Tsy hoe tsy maintsy hatao ny fifidianana, fa ezahina ho vita ara-potoana matoa izahay nametraka ny hoe mila ravana ny governemanta ary hatsangana ny governemanta firaisam-pirenena izay hanehoana fitsitsiana”, hoy ny filoha mpanorina sady filoha mpiara-mitantana ny Vondrona politika hafa miray (VPHM), faritra Ana­lamanga, Rasoamaka James, ny herinandro teo. Hita […]

Fitakiana: mitsipaka fiaraha-mitantana ireo Nosy Malagasy ny Seces

“Anisan’ny mbola fibodoana tany ny tsy famerenan’ ny mpanani-bohitra na ny mpanjanaka azy ireo amin’ ny firenena malagasy. Izay no mahatonga hatrany ny hoe: tsy mitsahatra mitaky ny famerenana an’izay ny filankevi-pirenen’ny Seces, rehefa misy fivoriana”, hoy ny filoha nasionalin’ny Sen­dikàn’ny mpampianatra mpi­karoka (Seces), Randria­mia­linoro Faliarivony, momba ny fitakin’i Madagasikara […]

DFP – Harem-pirenena : “Ilaina ny fikaonandoha”

“Ny hanovantsika fikaonandoham-pirenena: ahoana no hialana amin’ny fitan­tanana ny harem-pirenena verivery foana, fa 1% no mba tombontsoa ho an’ny firenena? Ahoana koa ny mba tena hananan’ny solom­bavambahoaka izany fiandrianana izany, fa tsy miandry kolikoly na “malety” fo­tsiny? Izay no manahirana antsika eto amin’ny fire­nena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny hetsika […]

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: niaiky ny tsy nahatrarana ny tanjona ny Ceni

Nisedra olana maro. Tsy mbola tratra araka ny namaritana azy ny ezaky ny Ceni, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nifarana, omaly ny fe-potoana nitetezana tokantrano, nanisana ny mpifidy. Maherin’ny 9 tapitrisa hatreto ireo mpifidy voaisan’ny Ceni, tao anatin’ny efa-bolana nanatanterahana izany, raha nanomboka ny volana oktobra teo izany. Tsy tratra […]

Fakana an-keriny tovovavy: jiolahy enina azo voasarika am-pandriana, roa hafa karohina

Voasambotra tao anatin’ny efatr’andro misesy ireo olon-dratsy voatondro ho naka an-keriny tovovavy iray tao An­dranomisy, distrika Anjozo­robe. Tratra nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 janoary teo, tao Bemahia kaominina Marotsipoy sy Anosivolakely kaominina Andranomisa avokoa izy rehetra. Ary natao sarika am-pandriana mihitsy, hoy ny fanazavan’ny zanda­rimarian’Imerina centrale, nandray an-tanana ny […]