Taitra maraina ny fokonolona teny Anosisoa Ambohimanarina, omaly. Nipoaka tokony ho tamin’ny 07 ora teo ny vata mpanova herinaratra “transformateur” an’i Jirama miisa roa. Vokany, nipoaka mafy izany sady nahazo ny tsenakely iray mpanao “photocopie” teny an-toerana. May tanteraka izany, ka tsy nisy noraisina intsony. Levon’ ny afo tamin’izay koa […]
Taratra
Toamasina : mpianaka indray natelin’ny ranomasina
Niara-natelin’ny ranomasina ny mpianaka tao amin’ny fokotany Depot fahaefatra- Toamasina, ny alahady 29 janoary lasa teo tamin’ny 2 ora sy 15 minitra. Fianakaviana iray ity niaraka niala sasatra teny amoron-drano ity. Nilomano, arak’izany, izy telo mianaka. Nanonja mafy anefa ny ranomasina. Nilentika vokatr’io ilay raim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra kosa […]
Raharaha Malama : voasazy 18 volana miampy 2 taona an-tranomaizina
Niampy sazy mihatra 18 volana sy 2 taona an-tranomaizina, miampy honitra 600.000 Ariary i Malama. Nampangain’ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka ilay teratany vahiny Olivier Blancard izy. Nahazo sazy mihatra 18 volana, miampy 2 taona an-tranomaizina i Mahery Lanto Manandafy. Araka ny didy nivoaka taorian’ny fitsarana azy tetsy Anosy, omaly atoandro. […]
Handball – « Mondial 2023 »: Lavo i Frantsa, tompondaka i Danemark
Voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja handball ny ekipan’i Danemark. Lavon’izy ireo tamin’ isa 34 no ho 29 ny Les Bleus an’i Frantsa. Lalao izay notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Tele2 Arena Stockholm, ny alahady lasa teo. Raha hiverenana ny lalaon’izy ireo, nanindry tanteraka ny ekipan’i Danemark. Porofon’izany, nitarika tamin’ny isa […]
Barea vs Senegal: hisy “écran géant” etsy amin’ny Parvis Analakely
Tsy ho diso anjara ny mpankafy baolina kitra malagasy tsy afaka manatrika mivantana ny lalao manasa-dalana’ny Chan, hifandonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’i Senegal. Hisy ny «écran géant» hapetraka eo amin’ny Parvis Analakely. Taorian’ny fangatahana nataon’ny mpankafy sy ny vahoaka malagasy, nanapa-kevitra ny hametraka ity «Fan zone» ity ny eo […]





