Na inona laizana na inona ambara, azo lazaina fa anisan’ny firenena miezaka ny miala amin’ny kolikoly i Madagasikara. Nahazo laharana 16 be izao, tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International, nivoaka omaly. Mazava ny finiavana ataon’ny Filoham-pirenena sy ny ekipa tarihiny. Manao ny fomba rehetra hahatsara endrika an’i Madagasikara any ivelany. Anisan’ny […]
Taratra
Ezaky ny mpitondra: nahavita dingana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanjakana
Nisy fivoarana sy ezaka. Namoaka fanambarana amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo. Nivoitra tamin’izany fa nihatsara toerana amin’ ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, tao anatin’ny efa-taona farany. Nanomboka ny taona 2019 izany ka nahazoantsika toerana any amin’ny faha-16. Tsy nifanalavitra […]
Amidiny amin’ny mpanao fiara: jiolahy efatra sarona teo am-pandravana motera
Mpangalatra moterana fiara ikoizana voasambotra tao Mangarivotra-Andrefana, anatin’ny distrikan’i Manakara, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 janoary teo. Ny marainan’ny asabotsy teo, naharay fitarainana ny zandary fa nisy andian-jiolahy nibata ny moterana fiara tsy mataho-dalana miisa roa tao amin’io fokontany io. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tao […]
Merikanjaka : dimy lahy tratra nangalatra saribao miisa 60 gony
Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ambohitrandriamanitra ny 28 janoary 2023 alina, ireo dimy lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra arina fandrehaitra miisa 60 gony. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa nisy trangana halatra arina tao amin’ny kaominina Merikanjaka, distrikan’i Manjakandriana. Mifankahalala tsara amin’ny tompon’entana ry zalahy ireto, […]
« Héroïne »: andrasana ny fotoam-pitsarana ilay kaomisera divizionera
Taorian’ny nandefasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ilay kaomisera divizionera higadra anyam-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, andrasana ny fotoam-pitsarana azy. Araka ny loharanom-baovao azo anefa, tsy nisy ity manamboninahitra ity avokoa ireo fonja izay nanontaniana eto an-toerana, omaly. «Tsy migadra etsy Antanimora izy, ary tsy eny Tsiafahy koa. Rehefa namarinina ny […]





