Niakatra ho 22 indray ny amboara “Grand Chelem” an’i Novak Djokovic, mpilalao tenisy serba. Voahosotra ho tompondakan’ny “Open d’Australie” indray ny tenany, rehefa nandavo an’ilay mpilalao grika, Stefanos Tsitsipas tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/3, 7/6, 7/6). Lalao famaranana izay notanterahina ny alahady lasa teo. Niady tanteraka ny lalao, […]
Taratra
Kitra – «Chan 2022»: hanohana ny Barea avokoa ny rehetra, anio
Tantara iray lehibe eo amin’ny baolina kitra malagasy, anio, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022». Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana ny Barea sy i Senegal. Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina […]
Rovan’i Madagasikara : natomboka ny asa fanarenana ny fiangonana
Harenina haingana, saingy manara-penitra. Araka ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo, hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny tilikambon’ny fiangonana protestanta ao Anatirova. Tonga nitsirika ny fanombohan’izany asa maika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly, nomban’ireo solontenan’ny Andriana Merina. «Efa tazantsika manomboka io ny fanarenana […]
« Tamatave Midera »: nanaka-danitra ny fiderana an-kira
«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny nambaran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tamatave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifandimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy […]
Fakafaka: Harena ny zanaka !
Manomboka mitsingilaila ankehitriny io fahendrena malagasy io raha atao indray mitopy maso ny rindram-piarahamonina misy ankehitriny. Tsy ny endrika ivelany isehoan’ny fitiavan-janaka no tsy ananan’ny Malagasy intsony fa ilay fametrahana ny zanaka ho harena mihitsy. Harena ve ka hatao tsinontsinona ? Tsy ny fanipatsipazana ireo haingitraingitry ny tanora ho an’ny […]





