Taratra

IFM Analakely: hahazo ny anjarany ny ankizy amin’ny hetsika “Zaza mifety”

Latsa-danja ny hetsika ho an’ny ankizy, indrindra ny lafiny koltoraly eto Madagasikara. Izany indrindra no hisian’izao hetsika izao hanatrarana ny vinan’ny IFM amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Hotontosaina ny 25 fe­broary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 ny “Zaza mifety”. Hetsika karakarain’ny Institut Français de Madagascar na IFM eny Analakely iarahany miasa […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Ny politika tsy teoria fa tsy maintsy misy hiankinany”

“Mankasitraka ny kaba­rin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Vatomandry aho. Ny fanaovana politika dia tsy teoria fotsiny fa tsy ma­i­ntsy misy hiankinany amin’ny zava-misy ankehitriny. Lehibe ilay fanapahan-kevitra hitodika any amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Niri­na, manoloana ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny […]

Mampikony : nahazo fanampiana ireo traboina

Maherin’ny 4 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ ny andro ratsy Cheneso tao Mampikony. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nomena ireo traboina tamin’izany ny vary, voamaina, “seau”, lovia, sotro, […]

Holafitry ny vadintany : sahirana amin’ny fanatanterahana didy ny vadintany

“Sarotra ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty raha iny taona 2022 iny satria sarotra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Alain. Nohamafisiny fa olana ara-drafitra no mila jerena satria raha ny za­vatra tsikaritra, lasa mihaino ny […]