Taratra

Hifarana ny zoma ny fifaninanana : miakatra ny lentan’ny Slam malagasy

Nihatsara ny fifaninanana tamin’ity taona ity raha oha­rina amin’ny andiany teo aloha. “Nihena ny mpandray anjara, saingy manomboka mahafehy sy mahay “Slam” ny tanora malagasy raha ny tamin’ity andiany ity”, hoy i Tajero, mpiangaly “Slam”. Mitombo hatrany ny fankafizan’ny Malagasy, indrindra ny tanora ity zavakanto iray ity. Taratra izany nandritra […]

Antsahamanitra: hiaka-tsehatra indray ry Kaiamba

“Tsiahy Kaiamba”. Io no lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosain’ireo mpanakanto maro mivondrona ana­tin’ny “Kaiamba”, ny alahady 4 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy Antsahamanitra. Hifampizara ny sehatra mandritra izany ry Jackie Edmée, Jean Kely sy Basth, Christine Egeba est, Prosh’Ely, Charles martin, Zôzô Mananjary, Raymond, Julien raminia, Coco Tava­ratra […]

Antoko mpihira Orimbato – « Ny Mpanjakako »: Hosokafana amin’ny « Antsa Noely » ny jobily faha-50 taona

15 Martsa 1973, niorina ny antoko mpihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. « Antsa Noely », efa fanao isan-taona. Hifanindran-dalana izany amin’ny alahady izao. Dimampolo taona niorenana. Hanokatra ny jaobily volamenany ao amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ny antoko mpihira Orimbato, ny alahady 4 desambra izao. Amin’io andro io ihany koa […]

Kitra – OPL : hifandona ny CFFA sy Jet Kintana FC

Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharano­fotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra. Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, […]