Taratra

Basikety-Elites Jeunes: hiofana any Senegaly i Taratra sy i Anyssa

Hotontosaina any Sene­galy, ny 3, 4 ary 5 desambra izao ny fampiofanana ireo tanora afrikanina mpilalao basikety sangany na ny « Elites Jeunes ». Ho fanohizana ny « Youth Camp », izay nataon’ izy roa vavy, ny volana oktobra lasa teo, hihazo an’i Sene­galy indray, Ramahatra Taratri­niaina Muriel sy Rakotonana­hary Joanie Anyssa, haka traikefa. […]

CJSOI: mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara

Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny CJSOI (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), 2022. Efa vonona tanteraka i Maorisy. Efatra andro tsy hanombohan’ny fifaninanana, mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madaga­sikara amin’ity andiany faha-12 amin’ny CJSOI hatao any […]

CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly

Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, oma­ly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. No­dinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Dé­liberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]

Voalohan-karena

Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa […]

Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe

Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Amba­to­mirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanen­jehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]