Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, […]

Judo-Kigami Biraki : Namaly ny antso avokoa ireo klioba

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Kigami Biraki”. Hetsika fanamarihana ny taona vaovao 2025, nokarakarain’ny klioban’ny Hakudokan. Azo lazaina ho nahomby izy ity satria namaly ny antso avokoa ireo klioba rehetra teto Analamanga. Toy ny efa mahazatra isan-taona, tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny masoivohon’i […]

Net Foot: Handray anjara amin’ny fifaninanana any Espagne

Hametraka tantara vaovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy ny ho fandraisana anjaran’ny Net Foot amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Espagne. Vonona ary efa ao anaty fanomanana hiatrehana izany izy ireo, amin’izao fotoana izao. Afaka telo volana, ha­nomboka ilay fifanintsanana ho an’ny tanora mpilalao baolina kitra ho an’ny sokajy U19, […]

Depiote Rabenirina Jean Jacques: “Tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”

“Miaro ny vahoaka sy ny andrimpanjakana ny miaramila. Arovany izay fitondrana eo amin’ny maha fanjakana azy, fa tsy amin’ny sehatra politika. Fa tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean Jacques, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, […]