Taratra

Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Nanolotra 200 000 dolara hanampiana ireo traboina

Mitohy ny tohana ataon’ny fikambanana na rafitra ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana. Nanolotra taratasim-bola mitentina 200 000 dolara, hanampiana ireo traboina niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy nahitana korontana loatra ny famatsiana lasantsy SP95 teto Antananarivo, omaly. Araka ny efa nampahafantarin’ny OMH, tonga omaly ny sambo mitatitra solika avy any Oman, ary mandritra ny 2 andro eo ny fandaminana ny fitsinjarana. Tsy misy olana kosa ny famatsiana gazoala sy ny solitany fandrehitra. Inoana fa hitohy izany […]

Famerana ny ravimbola ho 1 000Ar: Hampiakatra ny lanjan’ny vola malagasy

Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madaga­sikara. “Hampakatra ny lan­jan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampia­sana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Ana­tin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika […]

Akamasoa Andralanitra : Napetraka ny fitaovana hitiliana ny kalitaon’ny rivotra

Napetraka ny fitaovana hamantarana ny kalitaon’ny rivotra, iarahana amin’ny Pnud eny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny World Trade Center (WTC). Miaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra, isan’ andro, noho ny toeram-panatobiana fako ny eny An­dralanitra, ny toby Akama­soa. Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny […]