Torohevitra amin’ny fitantanana sy fampiasana ho amin’ny fampandrosoana ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy. Izay no fiofanana atrehin’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina enina misitraka ny tamberim-bidy, faritra Alaotra Mangoro. Hateloana, ao Moramanga, ny fiofanana izay natomboka omaly. Nahazo loka faharoa tamin’ireo firenena fito […]
Taratra
Hetsika Rohy: “Tokony hohavaozina tanteraka ny Ceni”
“Efa nanambara hatrany ny fiarahamonina sivily malagasy fa tokony hofoanana na havaozina tanteraka ny Ceni”, Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, avy amin’ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fiatrehana ny fikarakarana ny fifidianana. Ny rafitra sy ny olona misy amin’izao fotoana izao izany. Satria tsy azo itokisana […]
Tsy misy kononkononina
Mahagaga ny fanakianana miely etsy sy eroa amin’ny ho fifantenana izay handrafitra ny governemanta faharoan’ny Fanavaozana. Tsy misy zavatra afenina na kobonkobonina anefa, satria, toy ny mahazatra dia misy hatrany ny fandraisana mivantana ny antontan-taratasy eny Mahazoarivo. Misimisy ny olona terem-panahy tsy miandry antso na dokambarotra fa manam-piniavana manatitra. […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly”
Nisantaran’ny lehiben’ny governemanta ny asany ny fametrahana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly. Nitsidika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai) izy, omaly. Nifampizara hevitra ahafahan’ny Arai manatsara fomba fiasa manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, […]
TSELATRA
Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona mety ho voakasika tamin’ny raharaha Ambohimalaza, nahafatesana olona manodidina ny 36. Hatramin’izao, olona efatra no notanana vonjimaika am-ponja. Anisan’izany ny tompom-pety sy ny reniny. Nahatratra 47 kosa ireo olona nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana. Vavolombelona 30 no efa nohenoina. Naiditra vonjimaika am-ponja […]





