Hotanterahina ny 9 – 13 desambra ho avy izao, any amin’ ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny fifanintsanana baolina kitra, « Tournoi des Grands Elites ». Araka io anarana io, hifanandrina hiady ny amboara lehibe amin’izany ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Cosfa Analamanga ary ny Fosa Juniors FC Boeny. […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Nitsidika an’i Toliara ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), nijery ny fandrosoan’ ny tetikasa « Ampi’zay », hiarahan’ny MJS sy ny Terres en Mêlées manatanteraka. Nampisehoana ny atao hoe « Rugby for Change » an’ireo mpianatra. Fomba mampiroborobo ny firaisankina sy ny fitovian’ ny lahy sy vavy amin’ny alalan’ny rugby. Mihoatra ny […]
«Cours des dirigeants sportifs»: Mpanao gazety 8 miofana
Nanomboka ny alatsinainy teo ny fiofanana « Cours des dirigeants sportifs », izay ahitana mpiofana 24 mianadahy. Mampiavaka ity andiany faha-21 ity ny hamaroan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, izay miisa 8. Anisan’ny manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fahafantarana izany fitantanana ny fanatanjahantena izany ny mpanao gazety ka rariny raha manaraka fiofanana. Ankoatra izay, […]
Tsipy kanetibe : Hatao ny sabotsy izao ny fifidianana filohan’ny ligy
Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo filoha vaovao hitantana ny ligim-paritra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Hisantatra izany, araka ny fandaminana, ireo ligy efa nisy teo aloha. Hotanterahina herinandro aorian’izay ny an’ireo ligy vaovao. Izay lany eo no hifidy indray ny filohan’ny federasionina (FSBM), ny 27 desambra […]
Fampianarana ambony: Raikitra ny opération Fosika
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fiandohan’ny hetsika « Fosika” eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Io no sehatra fanabeazana sy fanadiovana, ahafahana mitoroka ireo diplaoma sandoka, endrika kolikoly amin’ny fandraisana mpiasa, fanokafana lalam-piofanana tsy ara-dalàna, sy ireo trangana herisetra eny anivon’ny Anjerimanontolo. Hampiharina avy hatrany ny sazy […]




