Taratra

Eto Madagasikara : Mahatratra 90 000 ireo mitondra ny VIH/Sida

Nomarihina teny Itaosy, tamin’ity herinandro ity, ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. “Mioitra amin’ny sakana, mampahomby ny paikady iadiana amin’ny VIH/Sida”. Io ny lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tena ihany no tsy hahazoana ny tsimokaretina. Miaro tena amin’ny firaisana ara-nofo. Miaro tena amin’ny fitaovana tsy […]

INDRAY MIJERY

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nifaohan’ny fiara ireo mpianatra niampita teny Tsara­saotra. Maro ny lesona azo tsoahina. Tsy misy afa-tsy ny mandeha milamina hahafahana misoroka ny loza. Tsara raha miaraka amin’ny olon-dehibe ireo ankizy rehefa tsy maintsy hiampita arabe. Lahitokana ny aina. Nahazo fampitandremana miloko mena amin’ ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny […]

Tetikasa Landja : Ilaina ny manamafy fiofanana ho an’ny kaomity mpitantana ny dina

Natolotra omaly, teny Ankorondrano, ny valin’ny fikarohana telo anatin’ny tetikasa Lalàna arindra amin’ny dina raha jiaby ara-drariny (Landja). Natao araka ny fiarahamonina sy araka ny lalàna ny fikarohana ka nivoitra fa mbola manana anjara toerana lehibe eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny Dina. Misy ny fanomezan-kery avy amin’ny tribonaly izay vao […]

TARATRY ny KANTO

Hivoaka tsy ho ela ilay boky « Kanton’ny ta­niko » O’Suzah-Barijaona, nosoratan’i Liva Ramora­sata, mpampianatra sady mpikaroka eo amin’ny tontolon’ny mozika sy ny tantara. Boky mirakitra ireo hira miisa 21 novetsoin’ireo andrarezin’ny zavakanto mala­gasy ireo (O’Suzah-Barijaona). Anisan’izany ny « Avia hilalao », « Bako », « manimanina… Ahitana ihany koa ireo tantara nisongadina manokana tamin’ny fiainan’i Barijaona. […]

« Madagaslam Festival » : Hizara ny traikefany eto i Nico K

Vahiny manokan’ny « Ma­da­gascar Festival », amin’ity andiany faha-16 ity, i Nico K. Tonga omaly ity poeta, mpanao slam, mpanao rap fran­tsay ity, izay fanta-daza amin’ ny filalaovany ny teny. Niso­katra omaly mantsy ilay « Ex­poétique », etsy amin’ny IFM Analakely. Fampirantiana tsy mitovy amin’izay fahita fa anambaran’i Nico K ny fifandraisan’ny lahatsoratra sy […]