Lehilahy miisa telo notanana vonjimaika any am-ponja, ny 25 novambra teo, taorian’ny fampanoavana, noho ny fikasana hamaky banky tao Analavory. Nikononkonona hanao famakiana ny toeram-piasany ny mpiasa iray tao anatin’io banky io, ny 17 novambra lasa teo. Olona roa hafa niray tsikombakomba taminy nadritra izany. Naharaka ny teti-dratsin’ilay mpiasa anefa […]
Taratra
Ambositra II: Olona roa maty nilatsaham-potaka
Niara-namoy ny ainy ny olona miisa roa nilatsaham-potaka tao amin’ny tanànan’i Tsimitono, kaominina ambanivohitra Ambositra II, afakomaly. Tokantrano miisa roa niaraka lasibatra tamin’io loza io. Olona miisa dimy naratra ka voa mafy ny roa. Tsy tana ny ain’ny lehilahy sy vehivavy iray. Nifamonjena ary nentina teny anivon’ny hopitaly CHRR Ralalaonirina, […]
Tao anatin’ny telo volana, teto Antananarivo : Mahatratra 12 ny lozam-pifamoivoizana nahafaty olona
Mitombo ny fandikan-dalàna ataon’ny mpampiasa lalana sy ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy nandratrana olona. Mahatratra 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo, tao anatin’ny telo volana. 12 tamin’ireo namoizana aina avokoa. 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, nanomboka ny volana septambra hatramin’ity volana novambra ity. Manodidina ny 12 ny tranga […]
Lomano-“Meeting de l’Océan Indien” : Nandrombaka medaly 6 i Koty Glorio
Namirapiratra indray ny Malagasy mpilomano, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano, natao tany La Réunion. Medaly 6 be izao no norombahin’i Koty Sampaniaina Glorio, teo amin’ny sokajy 12 taona. Volamena ny roa tamin’izany, izay azony teo amin’ny 100m nage libre sy teo amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notohizana teny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka omaly, ny lalao divizionina faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Araka ny fanadihadiana natao, nisy savorovoro indray teo am-panombohana ny lalao, saingy nezahin’ny eo anivon’ny Federasionina nalamina izany. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eo amin’io kianja io ihany koa ny tohin’ny « Poule […]




