Notombanana ny herinandro lasa teo, ny tetikasa Magnovasoa, momba ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo. Nanatontosa ny tombana ny Pam sy ny Unicef ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), izay manantanteraka ny tetikasa rahateo ho an’ny faritra telo iasana. Natomboka ny taona 2023 amin’ny […]
Taratra
Fanatsarana ny zon’ny vehivavy: « Ho laharam-pahamehan’ny politikan’ny Fanjakana »
Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fankalazana ofisialy ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy”, omaly. Nitarika izany ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana Randrianirina Elisa. Nanome voninahitra ny fotoana ny vahiny manan-kaja avy any Centrafrique. Tontosa omaly, teny Mahamasina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nisy ny […]
Rap iraisam-pirenena : Ho avy i Gazo, hiverina i La Fouine
Mpanakanto samy manana ny lazany. Samy hanana ny anjara fampisehoany eto Madagasikara amin’ity taona ity. Ho avy i Gazo fa fiverenana kosa ho an’i La Fouine. Hisongadina ny Rap iraisam-pirenena. Vaovao lehibe ho an’ny mpiondana! Hiverina eto Madagasikara indray La Fouine. Ireo « Génération X » no tena nankafy azy, satria tany […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny fiofanana mamelona tantara an’onjampeo. Hizara ny traikefany amin’izany i Christophe Rabearimanana, iray amin’ireo kalaza amin’izao fotoana. Etsy amin’ny Tahala Rarihasina no hanaovana azy ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora hatramin’ny 4 ora hariva, hitohy amin’ny heriny. Ny Faribolana Sandratra izay ivondronana mpisehatra amina tantara an’onjampeo maro no mikarakara […]
IPAS Madagascar: Manamafy ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo
Nikarakara atrikasa famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Ipas Afrique Madagascar, ny alarobia 4 marsa 2026 teo. Fotoana niresahana mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo amin’ny zatovo. Ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny zatovo, indrindra ny zatovovavy satria iharan’olana maro. Ankoatra izay, mbola mipetraka ho fady eny anivon’ny fiarahamonina […]





